Rechercher dans ce blog

lundi 23 août 2010

NY FAHENDRENA TANDRA VADIN-KODITRA

Ny taonjato faha-21 iainantsika dia ahitana hazakazaka tsy misy farany ho amin'ny fandalinam-pahaizana hahafahana misongona ny hafa eo amin'ny lafim-pahalalana rehetra. Ny vokatr'izany dia efa hitantsika sahady amin'ny resaka ? mondialisation ?.
Efa maro ny manakivy tena sy manakivy ny hafa ny amin'ny hoe hijanona ho mahantra sy ho fadiranovana ny firenentsika, satria hitombo tsy mijanona ny elanelana manasaraka antsika amin'ireo efa lasa aloha toy ny Amerikana, ny Japoney, ny Sinoa ...
Marina izany, ary angamba tsy ho azo ihodivirana.
Saingy ny toa hadinontsika, dia ny nisaintsaina fa tsy ny manam-pahaizana ihany anie no nahalasa lavitra ireo firenena ireo, fa ny fananany fahendrena sy ny fahamaroan'ny olon-kendry ao aminy indrindra indrindra.
Teny famerimberiko amin'ny olona mifanerasera amiko ny hoe : "Na hiolan-ko vy isika na hiolan-ko vato, dia tsy ho afaka amintsika ny maha-Malagasy antsika, satria tandra vadin-koditra amintsika izany."

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire